Fiaraha-miasa ara-toekarena

Fampiratiana Voatra sy andron’i MAROC-MADAGASIKARA

📍‎𝘼𝙡𝙖𝙧𝙤𝙗𝙞𝙖 (𝙄𝙫𝙖𝙣𝙙𝙧𝙮), 𝙛𝙖𝙝𝙖 17 𝙖𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘐𝘷𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-12 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 « 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘤𝘳𝘦́𝘢𝘵𝘪𝘷𝘪𝘵𝘦́ » 𝘝𝘖𝘈𝘛𝘙𝘈 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘳𝘰𝘤–𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.

📌Nisolo-tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), nanatrika izany ny Talen’ny Kabinetra RICHMAN David.

‎Mitondra ny lohahevitra « À la conquête des marchés internationaux », ity hetsika ity ka mikendry ny hampiroborobo ny sehatra tsy miankina, mikendry ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Maroc.

✅‎Aharitra 2 andro ny hetsika ka hisy ny famelabelaran-kevitra momba ny famatsiam-bola sy sehatra stratejika, fihaonana B2B, varotra fampiratiana ahitana orinasa mihoatra ny 80, ary fampiroboroboana ny vokatra sy ny fahaiza-manao eto an-toerana sy avy any ivelany.

📌‎Manamarika ity hetsika ity ny fisian’ireo orinasa Marokana miisa 10 tonga eto an-toerana haneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa mivaingana, ka vinavinaina amin’izany ny fanokafana ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Madagasikara–Maroc.

Vous aimerez aussi...