๐…๐€๐๐€๐๐†๐€๐๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐…๐Ž๐“๐Ž๐ƒ๐‘๐€๐…๐ˆ๐“๐‘๐€๐’๐€ ๐‹๐€๐‡๐€๐‘๐€๐Œ๐๐€๐‡๐€๐Œ๐„๐‡๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐Œ๐€๐‹๐€๐†๐€๐’๐˜

โœ…Dinikasa lehibe no natao teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny tolakandro teo, niarahan’ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy tamin’ireo solontenan’ny mpandraharaha malagasy notarihin’ ny Filohany, Andriamatoa Rabarijohn Francis, sy ireo mpandraharaha frantsay notarihin’ny Masoivohony eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud Guillois.

๐Ÿ“ŒFotodrafitrasa sy tetikasa miisa 29 novolavolain’ireo orinasa malagasy sy frantsay no nodinihina nandritra izany, ka ny 14 isa amin’ireo no hotanterahina ao anatin’ny 12 volana ho avy mba hahafahana mamaly ny filan’ny vahoaka malagasy manerana ny nosy. Lohalaharana ao anatin’izany ny jiro sy ny rano, ary ny fanamboaran-dalana.

๐Ÿ”ตNanotrona ny Praiminisitra taminโ€™izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Andriamatoa Ramiarison Herinjatovo Aimรฉ, ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina, Andriamatoa Rasoarahona Andriniaina, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamatoa Ny Ando Ralitera, ary ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa Razafindrianarivo Henri Jacob.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

Vous aimerez aussi...