Concours National d’Innovation 2026 | OMAPI
𝗡𝗢𝗧𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗥𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗙𝗔𝗛𝗜𝗧𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢 𝗡𝗜𝗦𝗢𝗡𝗚𝗔𝗗𝗜𝗡𝗔 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔

𝘒𝘪𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 26 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘣𝘰𝘢𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘦𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 « 𝘊𝘰𝘯𝘤𝘰𝘶𝘳𝘴 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥’𝘐𝘯𝘯𝘰𝘷𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 2026 », 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘪𝘧𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘨𝘰𝘷𝘰, 𝘍𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘝𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢.
Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fikarohana ara-Tsiansa eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène, Ramatoa Filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo, Pr RABETOKOTANY Nantenaina ary Ramatoa Tale Jeneralin’ny OMAPI, RAFANOTSIMIVA Naharisoa Oby.
« Ny fananana ara-indostria ho fitaovana entina mampandroso ny indostria » no lohahevitra tamin’ity fifaninanana ity. Notsindriana tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fizakana ara-tsaina, indrindra ny fizakana ara-indostria, ho fiarovana sy ho fanohanana ny famoronana ary ny fahitanavao.
Mpikaroka, mpamorona, mpandraharaha, mpianatra ary tanora avy amin’ny faritra samihafa no nandray anjara, ka 16 tamin’ireo fahitanavao nisongadina no notolorana amboara.
Mikendry ny hampifandray ny fikarohana sy ny fahitanavao amin’ny indostria sy ny toekarena ny « Concours National d’Innovation », mba hamadihana ny famoronana ho vahaolana azo ampiharina sy manome lanja ara-toekarena.
