COOP’MIKETRIKA | Fampandrosoana ny fandraharahana eny ifotony

📍 𝘔𝘪𝘢𝘳𝘪𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 𝘐𝘵𝘢𝘴𝘺 | 26 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘊𝘖𝘖𝘗’𝘔𝘐𝘒𝘌𝘛𝘙𝘐𝘒𝘈, 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘴𝘰𝘯𝘨𝘢𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺.

✅Ramatoa Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), TIDAHY Chantal, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika.

✅Miisa 557 ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny Faritra Itasy, ka 80% amin’izy ireo no misehatra amin’ny fambolena. Manana anjara toerana lehibe izy ireo amin’ny fanodinana sy fanomezana lanja ny vokatra sy ny akora ao an-toerana, famoronana asa ary fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha, sady manamafy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny tanora amin’ny fampandrosoana.

✅Ahitana fampirantiana sy varotra, fifanakalozana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ary fanentanana samihafa ny COOP’MIKETRIKA.

📌Ho fanamafisana ny fanohanana ireo mpandraharaha eny ifotony, manana fifanarahana fiaraha-miasa miisa 8 ny Fitaleavana iraisam-paritra (DIRIDSP) Itasy, izay natao hanetsehana sy hampiroboroboana ny asa fandraharahana, indrindra ho an’ny tantsaha, ny vehivavy ary ny tanora.

✅Amin’ny alalan’ny COOP’MIKETRIKA sy ireo fiaraha-miasa ireo, ny MIDSP dia manamafy ny fanohanany ny orinasa kaoperativa, mba hahatonga azy ireo ho tena fanoitra amin’ny famoronana asa, fampitomboana ny sanda ara-toekarena avy amin’ny vokatra eny ifotony ary fampandrosoana maharitra ny Faritra.

✅Nandritra ny diany tany Miarinarivo dia nitsidika ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ao Miarinarivo ihany koa Ramatoa Talen’ny Kabinetra. Fotoana nahafahana nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasa eny an-toerana ary nijery akaiky ny fanatanterahana ireo asa sy andraikitry ny MIDSP eny anivon’ny Faritra izany.

Vous aimerez aussi...