Fytia/Gezani

𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗗𝗥𝗔𝗞𝗔𝗞𝗔
𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗔𝗙𝗢 𝟭𝟵𝟭
𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 02 𝘮𝘢𝘳𝘵𝘴𝘢 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘷𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘰𝘭𝘰-𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘦𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘪𝘷𝘰-𝘥𝘰𝘻𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘬𝘪𝘳𝘰𝘢 𝘯𝘪𝘴𝘦𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘴𝘺 𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢.
Tonga nanolotra tafo « tôles » miisa 191 koa ny Vondron’ny mpanondrana drakaka tetsy amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), Anosy. Nandray ireo solontenan’ny mpikambana moa ny Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, RAZAFIMAHAFALY Séraphin. Nankasitraka ny Vondrona ny tenany ny amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana toy izao. Ary mbola namerina hatrany ny fanohanan’ny MIDSP eo ambany fitarihin’ny Minisitra RASOARAHONA Andriniaina, ireo mpandraharaha malagasy sy ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny rafitra apetraky ny Minisitera ho amin’izany.
