Kaoperativa fitaterana : Fanamafisana ny fandraharahana ara-dalàna

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, zoma 30 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘯𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘵𝘳’𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 (𝘔𝘛𝘔), 𝘯𝘺 𝘈𝘨𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘴𝘱𝘰𝘳𝘵 𝘛𝘦𝘳𝘳𝘦𝘴𝘵𝘳𝘦 (𝘈𝘛𝘛) 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘢𝘰𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰 𝘙𝘦𝘯𝘪𝘷𝘰𝘩𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘵𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘓𝘢𝘭𝘢̀𝘯𝘢 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢-2023-016 𝘮𝘪𝘧𝘦𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.
Ho fanohizana izany, hisy ny fiofanana hanampiana ireo kaoperativa hahatakatra sy hampihatra ny fepetra voalazan’ny lalàna.
Aorian’ny fiofanana, dia asaina manatona ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Antananarivo ireo kaoperativa mpitatitra, mba hanavaozana ny antontan-taratasiny hifanaraka amin’ny lalàna sy hampidirana azy ireo ao anatin’ny rafitra nomerika, amin’ny alalan’ny fandaharanasa PNRDC.
Tanjona ny hampanjary ara-dalàna ny kaoperativa sy hanamafisana ny fitantanana azy ireo.
