« RSE» Fanolorana fankasitrahana andiany faha-3

📍𝗥𝗮𝗱𝗶𝘀𝘀𝗼𝗻 𝗕𝗹𝘂𝗲 – 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼, 𝟮𝟲 𝗙𝗲𝗯𝗿𝗼𝗮𝗿𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘏𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘪𝘵𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘰𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦-𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘫𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘪𝘱𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺.

✅ Manaja ny tontolo iainana ao anatin’ny famokarana, manao asa sosialy eny anivon’ny fiaraha-monina, manome lanja ny maha olona sy ny fepetra iasan’ny mpiasa, manjifa ny akora fototra eto an-toerana, ireo no fanoloran-tenan’ireo orinasa anatin’ny lalan-tsaina RSE na Andraikitra ara-piaraha-monin’ireo orinasa.

✅ Orinasa miisa 59 moa no nifaninana ka 28 no voafantina. Ny 13 tamin’izy ireo no nandrombaka amboara sy nahazo fankasitrahana.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RASOARAHONA Andriniaina ka nandray anjara tamin’ny fanolorana ireo marim-pakasitrahana.

✅ Raha ny INNOVEO no nikarakara ny hetsika dia mpiara-miombon’antoka kosa moa ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga (MPEB), ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa-tànana (MTA), ny Vondrona Eoropeana (UE), ary ny Sendikàn’ireo Indostria eto Madagasikara (SIM).

Vous aimerez aussi...