Atsimo Andrefana Business Week – Andiany faharoa

𝘑𝘢𝘳𝘥𝘪𝘯 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘔𝘦𝘳 – 𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 3 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘉𝘶𝘴𝘪𝘯𝘦𝘴𝘴 𝘞𝘦𝘦𝘬, 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢, 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, izay miahy ity hetsika ity ihany koa. Nanatrika ny lanonana ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sady Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Andrefana, ary ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila isan-tsokajiny.
Taorian’ny fanokafana dia niroso tamin’ny fitsidihana ireo trano eva ao amin’ny « Village de l’Économie » ireo manam-pahefana. Fotoana nahafahana nifandray mivantana tamin’ireo mpandraharaha, nijery ireo vokatra sy tolotra asehon’izy ireo ary nihaino ireo filàna sy fanamby sedrain’izy ireo.
Hetsika mivaingana entina mampiroborobo ny toe-karena eny ifotony izao atao izao, ary mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, izay mametraka ny fanarenana ara-toekarena sy ny famoronana asa ho isan’ireo laharam-pahamehana amin’ny fanavaozana ny firenena.
Tanora mpandraharaha, SAMARTHE Anny Corine, no isan’ireo tompon-kevitra sy mpikarakara ny Atsimo Andrefana Business Week. Izy dia mpanorina sy mpitantana orinasa maro, sady Filohan’ny Femmes Entrepreneures Atsimo Andrefana. Maneho ny fahavononan’ny tanora handray andraikitra sy hamorona sehatra vaovao ho fampandrosoana ny toekarena eny ifotony izao hetsika izao. Ny faharisihan’ny tanora tahaka izao indrindra no antony hanohanan’ny MIDSP ny Atsimo Andrefana Business Week.
Sary nomena
#MIDSP#AtsimoAndrefanaBusinessWeek#SehatraTsyMiankina#Fandraharahana#Industria#Toliara#PGER
