Fanohanana ny Fandraharahana ho an’ny rehetra « Foire aux crédits et investisments » andiany faha-2

𝙎𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣𝙤, 29 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘕𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘫𝘰𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 « 𝘍𝘰𝘪𝘳𝘦 𝘢𝘶𝘹 𝘤𝘳𝘦́𝘥𝘪𝘵𝘴 𝘦𝘵 𝘪𝘯𝘷𝘦𝘴𝘵𝘪𝘴𝘴𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵𝘴 », 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 10 𝘴𝘺 11 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘵𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢. 𝘐𝘵𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘵𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢-𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰.

✅Manamafy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) fa isan’ny laharam-pahamehana ny fametrahana tontolo malalaka sy mahasarika eo amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Minisitera mpiahy ity hetsika ity ny MIDSP ho fanohanana sy hanampiana ireo mpandraharaha malagasy rehetra.

Mandritra ny roa andro misesy, ny « Foire aux crédits et investissements » dia hampivondrona mpandraharaha, orinasa madinika sy salantsalany, orinasa lehibe, ary olon-tsotra manana tetikasa.

📌Ity sehatra ity dia ho vovonana lehibe hanamora ny fifandraisana amin’ireo mpampindram-bola, banky, ary mpampiasa vola ary hanome fahafahana ho an’ny rehetra hifampizara sy hifandray amin’ny fomba mivantana.

Vous aimerez aussi...