PNRDC | Mitohy any SAVA sy ANOSY ny fanisana Orinasa Kaoperativa

21 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘚𝘈𝘝𝘈 𝘴𝘺 𝘈𝘕𝘖𝘚𝘠 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘥𝘪𝘮𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘯𝘺 21 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 25 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026.

Ny PNRDC dia tetikasan’ny Fanjakana Malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), ary tohanan’ny PNUD ara-bola.

🔹 SAVA : Manodidina ny 300 ireo kaoperativa voakasiky ny fanisana ary misehatra amin’ny lavanila, jirofo, kakao, jono, fitaterana avy any Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa. 30 no efa nanavao ny antontan-taratasiny araka ny Lalàna 2023-016, ary 50 hafa no efa vonona amin’ny fanavaozana, ka 80 no kendrena ho vita fanisana hatramin’ny zoma.

🔹 ANOSY : Manodidina ny 200 ireo kaoperativa voatsangana ara-dalàna ary misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana, ny jono, ny asa-tanana, ny fitaterana, ny fitrandrahana, ny fanangonana sy fivarotana ireo vokatra any an-toerana, ny fanodinana, ary ireo sehatra hafa, ka 122 no efa voarakitra araka ny Lalàna 2023-016.

🎯 Kendrena amin’izany ny fananana tahiry nasionaly azo antoka, nohavaozina momba ireo orinasa kaoperativa, mba hanamora ny fanaraha-maso sy ny fanohanana azy ireo.

📢 Antso ho an’ireo kaoperativa: araraoty izao hetsika izao hanamarinana sy hanavaozana ny antontan-taratasy, ary handraisana anjara amin’ny fanisana.

Vous aimerez aussi...