Fampiroboroboana ny kolontsaina mandraharaha eo amin’ny tanora Malagasy

📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 18 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 300 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰 𝘧𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘯𝘺 15 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 18 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026.

✅Fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny LE CEENTRE ary ny Projet PIC no nahafahana nanatanteraka izao fiofanana izao. Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina tamin’ny lanonana famaranana Andriamatoa Talen’ny Fanohanana ny Sehatra tsy Miankina (DASP), RAKOTOARIMALALA Ravo,

📌Nandray mari-pankasitrahana ireo tanora 300, izay naneho ihany koa ny fankasitrahany noho izao ezaka fanomezana lanja ny tanora sy ny fandraharahana izao.

✅Fanombohana ihany izao natao teto Antananarivo izao, fa hitohy any amin’ny faritra ny hetsika, mba tsy hisy tanora ho diso anjara. Izany dia manamafy ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, amin’ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana sy ny famoronana asa.

Vous aimerez aussi...