ITM (๐๐ป๐๐ฒ๐ฟ๐ป๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป๐ฎ๐น ๐ง๐ผ๐๐ฟ๐ถ๐๐บ ๐๐ฎ๐ถ๐ฟ ๐ ๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ฐ๐ฎ๐ฟ) sy IHM (๐๐ป๐๐ฒ๐ฟ๐ป๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป๐ฎ๐น ๐๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐ฐ๐ฟ๐ฎ๐ณ๐ ๐๐ฎ๐ถ๐ฟ ๐ ๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ฐ๐ฎ๐ฟ).

ย ยป ๐๐ฒ ๐๐ฎ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐น ๐ต๐๐บ๐ฎ๐ถ๐ป, ๐ฎ๐ ๐ฐ๐ผ๐ฒ๐๐ฟ ๐ฑ๐ฒ ๐น๐ฎ ๐ฑ๐ฒ๐๐๐ถ๐ป๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ ๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ฐ๐ฎ๐ฟ.ย ยป
๐พ๐พ๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ค, ๐๐๐๐ 12 ๐
๐ค๐ฃ๐ 2026 – ๐๐ช๐ด๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐๐ง๐ช๐ด๐ช๐ข๐ญ๐บ ๐ต๐ฆ๐ต๐ด๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐๐ ๐๐ท๐ข๐ต๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐๐๐ ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ช๐ข๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฉ๐ข-12 ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐๐ ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ช๐ข๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฉ๐ข-3 ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ข๐ฉ๐ช๐ต๐ข๐ฏ๐ข ๐ต๐ณ๐ข๐ฏ๐ฐ ๐ฉ๐ฆ๐ท๐ข ๐ฎ๐ช๐ช๐ด๐ข 400 ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ฆ๐ณ๐บ.
Anisan’ny mampiray ny fianakaviamben’ny mpandraharaha ary ireo sehatra tsy miankina misehatra eo amin’ny tontolon’ny Fizahantany
ity hetsika ity izay karakarain’ny ONTM (office National du Tourisme de Madagascar).
Manomboka androany 11 Jona ary hifarana ny 14 Jona 2026 izany. Ny tanjona amin’izao andiany izao dia ny hampiroborobo ny fizahantany anatiny sy hisarihana hatrany ireo mpamatsy vola ary mpizahantany maro be ho avy eto Madagasikara.
Tonga nanome voninahitra ny hetsika Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina moa no Minisitera miahy manokana ny sehatra tsy miankina, manampy sy mitantsoroka azy ireo mba hampivelatra ny fandraharahana izay ataony ka ao anatin’izany ny indostrian’ny fizahantany.
Manasa am-pitiavana ny fianakaviamben’ny mpandraharaha, ny mpianatra, ny mpankafy asa tanana, ary ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba ho avy hitsidika sy hanotrona ity hetsika goavana etsy amin’ny CCI Ivato ity.
Andao hifanome fotoana, hanohana ny vita malagasy, ary hiara-hampiroborobo ny fizahantanintsika!
