SIAL Paris 2026 : Orinasa Malagasy miisa 10 no mandray anjara

𝘗𝘢𝘳𝘪𝘴, 17–21 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘐𝘈𝘓 𝘗𝘢𝘳𝘪𝘴 2026 𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 10 𝘷𝘰𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢, 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘷𝘢𝘯𝘪𝘭𝘢, 𝘬𝘢𝘬𝘢𝘰, 𝘻𝘢𝘷𝘢-𝘮𝘢𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘮𝘦𝘯𝘢𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰 𝘷𝘰𝘢𝘩𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢.
Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) dia manome fanohanana ara-teknika amin’ity fandaharanasa ity miaraka amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, mitarika izany ny CCIFM ary manohana ara-bola ny Tetikasa PIC3.
Ny tanjona dia ny hanampiana ireo orinasa malagasy hahazo tsena vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary hampivelarana ny varotra ataony. Tsy mijanona amin’ny tombontsoan’ireo orinasa ihany ny vokatra andrasana, fa tafiditra ao ihany koa ny fanomezana lanja ny vokatra eto an-toerana, ny fampiroboroboana ny fanodinana vokatra eto Madagasikara ary ny famoronana asa.
Amin’ny alalan’izao fanohanana izao, ny MIDSP dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny fifaninan’ny sehatra tsy miankina sy ny fampahafantarana ny « Vita Malagasy » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ho fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
