Masoivohom-paritra EDBM faha-10 : Hanamafy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo mpandraharaha sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ary ny vahoaka

📍 𝘚𝘢𝘮𝘣𝘢𝘷𝘢, 23 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘢𝘧𝘪𝘥𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘮-𝘱𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪 𝘚𝘈𝘝𝘈 𝘯𝘰𝘩𝘰 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘩𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘺. 𝘕𝘺 𝘻𝘰𝘮𝘢 23 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 𝘭𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘚𝘢𝘮𝘣𝘢𝘷𝘢. 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘭𝘰𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘈𝘵𝘰𝘢 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘵𝘳𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘈𝘝𝘈𝘓𝘖𝘕𝘈 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘻𝘰.

✅Iray amin’ireo Minisitera mpiahy ara-teknikan’ny EDBM ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) ka tanjona ny hampitomboana ny harikarena mba hahazoan’ny vahoaka tombontsoa maharitra, izay rahateo no antom-pametrahana ny sehatra nomerika ORINASA izay natao hoan’ny famoronana Orinasa ao amin’ny faritra SAVA.

📌Tsy tokony hijanona ho faritra mpamokatra fotsiny ihany anefa i SAVA fa indrindra ho lasa mpanodina ireo vokatra mampiavaka azy toa ny lavanila, jirofo, kakaô sy ny maro hafa. Rehefa voahodina tokoa ireo vokatra dia miakatra ny sanda ary miteraka famoronana asa ho tombony hoan’ny faritra sy ireo mpampiasa vola ary ireo mpandraharaha izany.

Vous aimerez aussi...