Fanodinana ny akora eny ifotony : Manamafy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miakina ao Vakinankaratra

𝘈𝘯𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘣𝘦, 07 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘢𝘰𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘬𝘰𝘳𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘫𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢, 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢-𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘋𝘪𝘢𝘭𝘰𝘨𝘶𝘦 𝘗𝘶𝘣𝘭𝘪𝘤-𝘗𝘳𝘪𝘷𝘦́).
Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), tamin’ny alalan’ny Tale Iraisam-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Vakinankaratra-Menabe, RATSIMANDRATRA Fenosoa, no nitarika izany, taorian’ny atrikasa fakan-kevitra natao ny 10 sy 11 Jona 2026.
Nifantoka tamin’ny famaritana ireo rojom-pihariana laharam-pahamehana ny dinika. Voafaritra ho isan’izany ny voankazo sy legioma ary ny » féculents « , ary ny sehatry ny ronono, miaraka amin’ny fanodinana sy fanomezana lanja ireo vokatra sisa tavela sy fako aterak’izany.
Noraisina ihany koa ny fanapahan-kevitra momba ny fanavaozana ny angon-drakitra momba ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), ary ny fanangonana ireo antontan-taratasy sy fanadihadiana ilaina ho fanohanana ireo tetikasa ho avy.
Amin’ny alalan’izao fifampiresahana izao, ny Minisitera dia manamafy ny ezaka ho amin’ny fampiroboroboana ny fanodinana eto an-toerana, ny fanomezana lanja ny vokatra ary ny fanohanana ny fampandrosoana indostrialy maharitra.
