AGROPARC Bongolava : Mampifandray ny famokarana sy ny fanodinana

𝘛𝘴𝘪𝘳𝘰𝘢𝘯𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘥𝘺, 8 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘷𝘪𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘎𝘙𝘖𝘗𝘈𝘙𝘊 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘉𝘰𝘯𝘨𝘰𝘭𝘢𝘷𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰𝘷𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰 (𝘔𝘪𝘈𝘚𝘈) 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘫𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢.
Voanjo, soja, katsaka ary mangahazo no anisan’ireo vokatra kendrena. Velaran-tany 7 000 hektara ao Ampamohizakova no voakasiky ny tetikasa, ary hiara-hiasa mivantana ireo mpamokatra amin’ny alalan’ny » système d’agrégation agricole ».
Natsangana sy nomena fiofanana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny CROSAB – Comité Régional d’Orientation Stratégique sur l’Agro-business de la Région Bongolava, andraisan’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Miarinarivo anjara, izay tarihin’ny Tale JAORIZIKY Patricia, amin’ny fandrindrana stratejika sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetikasa.
Ny FAO no mpiara-miombon’antoka manohana akaiky ny fanatanterahana ny tetikasa.
Ny MIDSP dia manamafy ny rojom-pihariana ary manosika ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana, mba hamoronana sanda, asa ary fidiram-bola bebe kokoa ho an’ny mponina eny ifotony.
