Madagasikara mandray anjara amin’ny « African Island Economies Programmes »

📍 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘪, 𝘊𝘰𝘮𝘰𝘳𝘦𝘴 | 31 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 – 2 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘮𝘪𝘵𝘺 𝘔𝘱𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 « 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘤𝘢𝘯 𝘐𝘴𝘭𝘢𝘯𝘥 𝘌𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘦𝘴 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘮𝘦 », 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘜𝘋𝘈-𝘕𝘌𝘗𝘈𝘋, 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺. 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘵𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘵𝘺 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘪 𝘊𝘰𝘮𝘰𝘳𝘦𝘴, 𝘔𝘢𝘶𝘳𝘪𝘤𝘦, 𝘚𝘦𝘺𝘤𝘩𝘦𝘭𝘭𝘦𝘴, 𝘎𝘶𝘪𝘯𝘦́𝘦-𝘉𝘪𝘴𝘴𝘢𝘶 𝘢𝘳𝘺 𝘊𝘢𝘱-𝘝𝘦𝘳𝘵.

👉Misolo tena ny Fanjakana Malagasy amin’izany ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) amin’ny alalan-Ramatoa Tale Jeneralin’ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, MANANARIVO Arlise, sy Andriamatoa Talen’ny Fanohanana ny Sehatra tsy Miankina, RAKOTOARIMALALA Ravo.

✅Nifantoka tamin’ny fametrahana ny Komity Mpitarika sy ny andraikitry ny mpikambana, ny famaritana ny fomba fiasa, ny fandrindrana ireo « points focaux », ary ny fankatoavana ny drafitr’asa mandritra ny 24 volana ny fihaonana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanentanana ary fisarihana fampiasam-bola ho fampandrosoana ny toekaren’ireo firenena nosy aty Afrika.

👉Mifanaraka tsara amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), ny fandraisana anjara amin’ity fihaonana ity ary manohana ny ezaky ny Fitondrana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toekarena, fanohanana ny famokarana nasionaly ary fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, izay fototra lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.

#AUDANEPAD#MADAGASIKARA#PRRM#MIDSP

Vous aimerez aussi...