Fampandrosoana eny ifotony : manohana ny kaoperativa ny MIDSP

𝘔𝘪𝘢𝘳𝘪𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 8 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘈𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘱𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢, 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘋𝘐𝘙𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘯𝘰𝘴𝘺.
Kaoperativa miisa 4, dia ny MITSINJO SOA, TAMAMI, FARIMAMY ary MITSINJO M, no tafatsangana tao amin’ny Kaominina Ambohimandry, Distrikan’Arivonimamo. Nahazo fiofanana mikasika ny lalàna vaovao mifehy ny kaoperativa ihany koa ireo mpikambana. Mpamboly fary no mandrafitra azy ireo, ary manana vina mazava: hampivondrona hery, hampiroborobo ny asa fivelomana ary hiroso amin’ny fanodinana ny fary ho siramamy. Dingana iray lehibe mankany amin’ny famoronana sanda ara-toekarena eny ifotony izany.
Mitohy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny MIDSP sy ny tetikasa MDB PROFILAIT+ ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo kaoperativa misehatra amin’ny fiompiana omby vavy be ronono. Kaoperativa telo avy ao Soavinandriana, FANASINA, MAHAZINA ary SAFIDIKO, no nahazo fiofanana momba ny fitantanana mangarahara sy ny fahaiza-mitantana (bonne gouvernance).
Fototra iray tsy azo sarahina amin’ny fampandrosoana ny kaoperativa ny fananana rafitra fitantanana mahomby sy mangarahara.
