One District One Factory (ODOF)
𝗙𝗔𝗡𝗢𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗢𝗞𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬

𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 10 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘖𝘋𝘖𝘍 𝘳𝘰𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘺 « 𝘈𝘮𝘱𝘢𝘭𝘪𝘢 𝘈𝘯𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘣𝘦 » 𝘴𝘺 𝘯𝘺 « 𝘏𝘶𝘪𝘭𝘦𝘳𝘪𝘦 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 𝘥’𝘈𝘯𝘫𝘰𝘻𝘰𝘳𝘰𝘣𝘦 », 𝘯𝘰 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘢𝘯𝘵𝘺 𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰𝘩𝘦𝘷𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗, 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 47, 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘈-𝘍𝘐𝘎.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eny ifotony ny ODOF, amin’ny alalan’ny fanodinana ny vokatra eo an-toerana, ny fampitomboana ny sandany, ny famoronana asa ary ny fanohanana ireo mpamokatra. Mitohy noho izany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fampandehanana maharitra ireo orinasa ODOF naparitaka eny anivon’ny Distrika.
HUILERIE INDUSTRIELLE D’ANJOZOROBE Mamokatra menaka avy amin’ny voanjo 3 000 litatra isam-bolana ary mampiasa olona 5. Miara-miasa amin’ny kaoperativa mpamboly voanjo miisa 7 ihany koa izy.
AMPALIA ANTSIRABE
Mahatratra 850 tavoahangy isam-bolana ny vokatra vokariny, ary efa manana karazana vokatra 9. Kaoperativa mpamboly voankazo miisa 6 no mamatsy azy, ary olona 6 no ampiasain’ny orinasa.
Tongava mitsidika ny tranohevan’ny MIDSP, laharana 47, mandritra ny FIA-FIG, ary manjifà ny vokatra Malagasy!
