Fampandrosoana Maharitra

« 𝗦𝗮𝗹𝗼𝗻 𝗥𝗦𝗘 𝗲𝘁 𝗜𝗗𝗗 » 𝗻𝘆 𝟬𝟮 𝘀𝘆 𝟬𝟯 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗡𝗼𝘃𝗼𝘁𝗲𝗹 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟭𝟬 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘀𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮.
𝗜𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗶𝗷𝗼𝗿𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗿𝗮𝗶𝘀𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 (𝗥𝗲𝘀𝗽𝗼𝗻𝘀𝗮𝗯𝗶𝗹𝗶𝘁𝗲́ 𝘀𝗼𝗰𝗶𝗲́𝘁𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹’𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲𝗽𝗿𝗶𝘀𝗲 𝗻𝗮 𝗥𝗦𝗘)
𝙉𝙤𝙫𝙤𝙩𝙚𝙡 𝘼𝙡𝙖𝙧𝙤𝙗𝙞𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖 02 𝙟𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘝𝘢𝘵𝘰𝘧𝘦𝘩𝘪𝘻𝘰𝘳𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘥𝘦𝘭𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘰𝘬𝘰𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 (𝘙𝘚𝘌) 𝘮𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘬𝘦𝘩𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯𝘺.
Tsy mijanona amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiaraha-monina ihany ankehitriny ny RSE fa mitondra fitantanana maharitra sy mangarahara, fanohanana ara-tsosialy, fahafahana mifaninana, fandrosoana ara-tsosialy ary fampidirana eo amin’ny sehatry ny asa. Isan’ny Minisitera miahy ny hetsika « Salon RSE et IDD » ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Mifanojo tanteraka amin’ny vina sy ny fomba fijerin’ny MIDSP hametraka orinasa matanjaka, orinasa mifaninana ary orinasa tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ny fisian’ity hetsika ity. Ny sehatra tsy miankina no fanoitra eo amin’ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa eto Madagasikara.
Notsindrian’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina ihany koa fa toekarena maintso, mandray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana no takiana amin’ny orinasa eto Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny rafi-panjakana amin’ny fametrahana ireo didy aman-dalàna hahafahan’ny sehatra tsy miankina mampivelatra ny seha-pihariany. Misy ny didim-panjakana laharana faha 2024-1354 du 03 juillet 2024 mampihatra ny lalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Nanentana ny orinasa rehetra hanohy sy hampiditra ny RSE ao anatin’ny paikadim-pitantanana sy ny fomba fiasa ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin nandritra ny fandraisam-pitenenany tetsy amin’ny Novotel. Hibanjina ny tanjona hametraka orinasa maharitra sy sehatra tsy miankina mivelatra ho fototry ny indostria matanjaka ho an’ny fampandrosoana ny firenena izay tafiditra rahateo ao anatin’ny Politikan’ny Fanjakana.
