Fivoriana ara-potoana voalohany eny amin’ny Antenimieram-pirenena

𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗲𝗻𝗶𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗼𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼
𝙇𝙖𝙥𝙖𝙣’𝙞 𝙏𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖𝙯𝙖𝙯𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖 02 – 03 𝙟𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘪𝘴𝘦𝘴𝘺 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘰𝘭𝘰𝘮𝘣𝘢𝘷𝘢𝘮𝘣𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’ 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘬𝘢 𝘯𝘢𝘮𝘢𝘭𝘪𝘢𝘯’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.
Nitondra ny valin-teniny tamin’ireo Solombavambahoaka ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.
𝗠𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮𝗿𝗶𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗹𝗶𝗻𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙 (𝗢𝗻𝗲 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗰𝘁 𝗢𝗻𝗲 𝗙𝗮𝗰𝘁𝗼𝗿𝘆) 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗼𝗱𝗶𝗼 : 89 isa ny milina ODOF nozaraina manerana ny Nosy teo aloha. Ny 30% no efa miodina tanteraka ary efa mamokatra. Ny 70% kosa dia efa mandalo fandalinana ara-teknika amin’izao fotoana izao ny fampandehanana azy. Ary efa miroso amin’ny fandinihana ny famindrana izany milina izany any amin’ny toerana mampety ny famokarana araka ny filàn’ny Distrika ny ekipan’ny Minisitera.
𝗠𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 : Nidina tany Namakia sy Ambilobe ny delegasion’ny MIDSP nifampidinika tamin’ireo mpiasa sy mpampiasa eo amin’ny orinasa nijery vahaolana. Efa niravina ankehitriny ny roa tonta ary efa miverina miodina ny SIRAMA ao Ambilobe sy Namakia. Ho an’ny SIRAMA Nosy Be kosa indray dia efa eo an-dalam-pametrahana ny fiarovana ny fananan-tany ny Fanjakana. Mikasika ny orinasa SIRANALA kosa dia nohamafisiny ny fahatongavan’ny mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara afaka herinandro vitsy.
𝗠𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝘇𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝗶𝗸𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 : Efa miezaka ny Fanjakana manokatra azy ireny toy ny ozinina mpamokatra simenitra ao Mahajanga. Hisy ihany koa ny ozina mpamokatra menaka hapetraka isaky ny faritra. Mametraka hatrany ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana ho laharam-pahamehana ny Fitondram-panjakana msiy ankehitriny.
𝗠𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮: Ny MIDSP dia manome lanja ny fanamafisana traikefa ho an’ireo mpandraharaha malagasy, ny fanohanana ara-bola, ny fanohanana ara-barotra miaraka amin’ireo minisitera hafa.
𝗠𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮𝗯𝗮 : Tsara ny manamafy hatrany fa ireo orinasa afakaba miisa 141 izay nosintomina ny fahazoan-dalàna manokana dia tsy midika fa nakatona ireo orinasa ireo. Ny sata maha orinasa afakaba azy ireo no nesorina fa ny orinasa dia afaka miodina sy manohy ny asany hatrany.
