CEO Summit Indian Ocean andiany faharoa/ MIDSP – nandray anjara tamin’ireo fifanakalozana ny Minisitra

𝙉𝙤𝙫𝙤𝙩𝙚𝙡, 𝙛𝙖𝙝𝙖 𝙊9 𝙖𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 – 𝘛𝘢𝘧𝘪𝘥𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘵𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘌𝘖 𝘚𝘶𝘮𝘮𝘪𝘵 𝘪𝘵𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘧𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘦𝘻𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢.
Nandray anjara tamin’izany adihevitra izany ny mpampiasa vola iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana, ny ivon-toerana misahana ny fampiasam-bola ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana.
Notsindrian’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, fa mibahana anatin’ny tondro zotra hiasan’ny MIDSP ny fanamafisana ireo traikefan’ny orinasa malagasy, ny fanatsarana ny paikady hisarihana ireo mpampiasa vola eto Madagasikara ary ny fampiroboroboana ny sehatra ara-toekarena sy ny famokarana eto an-toerana. Izany rehetra izany dia mikendry ny fampivelarana ny famokarana sy ny fahaiza-manaon’ireo orinasa malagasy.
