Fiainana anatin’ny minisitera
𝗙𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮-𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘇𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘻𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘮-𝘣𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘮𝘪𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘻𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘰𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢-𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 (𝘋𝘙𝘏) 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗).
Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sady nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy omaly. Manao ho zava-dehibe ny fahalalan’ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny minisitera ireo zo fototry ny mpiasam-panjakana ny MIDSP. Ho an’ity andiany ity izay naharitra roa andro misesy dia nifandimby nisitraka ny fampahafantarana ny zo hananan’ny mpiasam-panjakana momba ny fakana ny « congé – autorisation d’absence – permission » ireo mpiara-miasa rehetra isaky ny Fitaleavana tsirairay.
Izany no natao dia ho fitsinjovana ny maha-olona ary koa ho fandrindrana ny fampandehanan-draharaha eto anivon’ny MIDSP.
