Madagasikara / Frantsa

Fitsidihana ara-panajana
𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 𝘧𝘢𝘩𝘢 22 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘕𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘴𝘢𝘥𝘢𝘰𝘳𝘰 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘈𝘵𝘰𝘢 𝘎𝘜𝘐𝘓𝘓𝘖𝘐𝘚 𝘈𝘳𝘯𝘢𝘶𝘥.
Nisy ny fifanankalozana ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ireo tetikasa hiarahana toy ny fananganana toha-drano lehibe, ny herinaratra sy angovo, ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Antsiranana sy ny orinasa SECREN ary ny fametrahana tondrozotra mazava eo amin’ny GEM sy ny MEDEF hampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’ny sehatra tsy miankina Malagasy sy Frantsay.
Noresahan’ny roa Tonta ihany koa ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifanankalozana ara-barotra izay mitetina 1 miliara Eoro isan-taona.
Nasiana jery kely ihany koa ny fanatsarana ny fitataovan-ketra, ny fadin-tseranana ary ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny ankapobeany mba hanamora ny fifanankalozana.
Nanambara moa ny MIDSP RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa vonona amin’ny fiaraha-miasa ny Minisitera izay tarihiny miaraka amin’ny fitondram-panjakana ka tsy hijanona ho fifampiresahana intsony izany fa hiroso ho asa mivaingana sy maharitra.
