PRRM / MIDSP

Faritra Atsimo Andrefana: Tetikasa PIC
𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 𝘧𝘢𝘩𝘢 – 19 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026
Teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michael no nanoloran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina tamin’ny alalan’ny tetikasa PIC, tohana ara-bola ho an’ireo nahazo ny famatsiana tao anatin’ny fandaharan’asa Madagascar Business Investment Facility (MBIF), io dia mifantoka amin’ny fanampiana ireo orinasa izay maniry ny hanitatra ny asa efa ataony eo amin’ny sehatra fambolena.
