Ady amin’ny Kolikoly

📍𝙏𝙤𝙖𝙢𝙖𝙨𝙞𝙣𝙖, 08 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘛𝘢𝘧𝘢𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 (𝘚𝘛𝘈𝘊) 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘋𝘐𝘙𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢. 𝘐𝘵𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘵𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘬𝘢𝘪𝘬𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 (𝘋𝘈𝘐𝘓𝘈𝘊) 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗, 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯𝘺 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 (𝘗𝘐𝘓𝘊𝘊).

✅Ny tanjon’ny Fanjakana dia ny hahazoana antoka fa misy ny mangarahara tanteraka eo amin’ny fomba fiasa rehetra amin’ny fanatanterahana ny asam-bahoaka. Amin’izany, ny MIDSP dia mametraka ny kolontsaina mangarahara ho laharam-pahamehana, ary manentana ny mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka hanaraka izany fitsipika izany. Nisy araka izany ny fanentanana sy fizarana traikefa nataon’ny DAILAC, Tale FINOANA Cédric ho an’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny DIRIDSP Toamasina.

✅Etsy ankilany, tafapetraka ao amin’ny BIANCO Toamasina ihany koa ny fanambaram-pananana ho an’ireo mpiasa voakasika izany eo anivon’ny DIRIDSP, ho fanamafisana ny fitokisana sy ny fahadiovan’ny fitantanana.

Vous aimerez aussi...