Fampiroboroboana ny Indostria eny ifotony

𝗠𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝘇𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙 (𝗢𝗻𝗲 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗰𝘁 𝗢𝗻𝗲 𝗙𝗮𝗰𝘁𝗼𝗿𝘆) 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘁𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼𝗵𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗜𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗲𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 (𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣)
𝘼𝙡𝙖𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙈𝙖𝙣𝙜𝙤𝙧𝙤, 𝘼𝙢𝙗𝙖𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙯𝙖𝙠𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙖-09 𝙟𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘏𝘢𝘧𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘰 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘪𝘭𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘭𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘵𝘢𝘣𝘪𝘢 𝘩𝘰 𝘭𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘦𝘵𝘤𝘩𝘶𝘱 𝘵𝘢𝘰 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘭𝘢𝘣𝘢𝘬𝘰 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘪𝘳𝘰𝘴𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 « 𝘤𝘩𝘢𝘮𝘣𝘳𝘦 𝘧𝘳𝘰𝘪𝘥𝘦 » 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘦𝘩𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘴𝘰𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.
Efa nambaran’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina ombieny ombieny ny asa himasoan’ny Minisitera ankehitriny eo amin’ny fampandehanana ireo ozinina ODOF 70% izay tsy miodina.
Nanatanteraka fidinana fanaraha-mason’ny firosoan’ny asa tany Ambatondrazaka ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny MIDSP misahana ny Faritra Alaotra Mangoro. Hanomboka afaka herinandro ny famaranana ny asa fametrahana ny fotodrafitrasa ao an-toerana ary miara-miasa amina teknisianina manam-pahaizana manokana teratany Kenianina ny Minisitera amin’izany.
