PIC 3 / Fivorian’ny komity nasionaly mpanantanteraka sy fampitoviana fomba fijery

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢, 𝘧𝘢𝘩𝘢 23 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘐𝘊 3 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘛𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢.
Nandray anjara tamin’ity fivoriana manan-danja ity tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Faritra folo eto Madagasikara no voakasiky ny tetikasa PIC 3 : Diana, Analanjorofo, Antsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Antsinanana, Anôsy, Atsimo Andrefana, Analamanga ary Ambatosoa.
Sehatr’asa telo no iasana amin’izany dia ny tontolon’ny fizahantany, ny fanodinanana ara-takafo ary ny haitao ara-kajy mirindra.
Ny PIC 3 dia mikendry ny fanatsarana ny tontolo iasan’ny sehatra tsy miankina sy mamaha ireo sakana hatrehan’izy ireo.
