1 May / Mpiasa Malagasy fototry ny fanavaozana marina

𝗠𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮, 𝗳𝗮𝗵𝗮 𝟬𝟭 𝗠𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘕𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘯𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘫𝘰𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘬𝘰𝘩𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny diabe fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa ny mpiasa sy ny sendika eto anivon’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) androany. Niainga teny Ambohijatovo hatreny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina moa ny diabe.
Isan’ny fangatahan’ny mpiasa heno sy hita teny an-toerana :
– Ny hampidinana ho 55 taona ny fandehanana misotro ronono ho an’ny renim-pianakaviana
– Ny hanondrotana ny karama ho mahavelona tsara ny ankohonana na avy amin’ny sehatra ara-panjakana na avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Voalohany teto amin’ny tantaran’ny firenena ny zava-nisy satria dia tonga niaraka nanao diabe tamin’ireo mpiasa isan-tsokajiny ny Praimisitra lehiben’ny Governemanta RAJAONARISON Mamitiana sy Minisitra sasany ao anatin’ny Governemanta.
Nanambara nandritra ny fandraisam-pitenenany ny Praiminisitra fa « 𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘮-𝘱𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘯𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘯𝘬𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢. » « 𝘕𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘮𝘱𝘰 » hoy ihany ny Praiminisitra. Nilaza izy fa hisy toerana atokana ho an’ ny solotenan’ireo sendika eny amin’ny primatiora.
Ny minisitry ny asa (MTEFPLS) kosa tetsy andaniny nampanantena fa hisy ny fisondrotan-karama ho an’ireo mpiasa amin’ity taona ity.
“Mpiasa malagasy fototry ny fanavaozana marina” io moa no tsangan-kevitra nentina nankalazana ny vaninandro androany.
