Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny MIDSP sy ny CRS

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 03 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘯𝘪𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 (𝘔𝘖𝘜) 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘊𝘢𝘵𝘩𝘰𝘭𝘪𝘤 𝘙𝘦𝘭𝘪𝘦𝘧 𝘚𝘦𝘳𝘷𝘪𝘤𝘦𝘴 (𝘊𝘙𝘚) 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳. 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘴𝘰𝘭𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗, 𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘙𝘈𝘍𝘈𝘕𝘖𝘔𝘌𝘡𝘈𝘕𝘛𝘚𝘖𝘈 𝘓𝘢𝘯𝘵𝘰, 𝘛𝘢𝘭𝘦𝘯’ 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢𝘴𝘢, 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘴𝘰𝘭𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘊𝘙𝘚.

✅ Hiara-hiasa ny MIDSP sy ny CRS amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fanohanana ireo TPE, PME ary PMI, ny fampiroboroboana ny orinasa kaoperativa, ny fampidirana ireo orinasa ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, ary ny fanomezana vahana bebe kokoa ny tanora, ny vehivavy ary ireo mpandraharaha eny ifotony.

📌 Marihina fa efa nisy ny fiaraha-miasa nahitam-bokany teo amin’ny roa tonta tamin’ny alalan’ireo tetikasa Fararano sy Maharo, izay nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy ny fanamafisana ny fiveloman’ireo vondrom-piaraha-monina tany amin’ireo faritra nisitraka izany.

✅ Ny Catholic Relief Services (CRS) dia fikambanana iraisam-pirenena miasa amin’ny fampandrosoana maharitra ary manohana sehatra maro, toy ny fahasalamana, ny fambolena, ny fanabeazana ary ny fiatrehana ny loza sy ny voina. Miasa any amin’ny firenena maherin’ny 100 maneran-tany izy ireo.

📌 Araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ity fifanarahana ity dia mifanaraka tanteraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay mametraka ho laharam-pahamehana ny famoronana asa, ny fanohanana ny sehatra tsy miankina, ny fampiroboroboana ny famokarana ary ny fanovana ara-toekarena maharitra. Naneho ny fankasitrahany ny CRS ihany koa izy nohon’ny fahavononan’izy ireo hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Malagasy ho fampandrosoana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...