Orinasa SIRANALA : Efa miroso sahady ny asa fanarenana ny Orinasa

𝘼𝙣𝙖𝙡𝙖𝙞𝙫𝙖 – 𝙈𝙤𝙧𝙤𝙣𝙙𝙖𝙫𝙖, 15 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘌𝘧𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘬𝘦𝘩𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘮𝘪𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘭𝘰𝘮𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘚𝘐𝘙𝘈𝘕𝘈𝘓𝘈.
Taorian’ny fitsidihana ara-pomba fanajana, dia niditra mivantana tamin’ny dingana ara-teknika ny iraka tamin’ny alalan’ny fanombohana ireo fanadihadiana sy tombatombana ifotony teny amin’ny toerana misy ny orinasa. Izao fidinana an-kianja izao dia haharitra andro maromaro mba handinihana ny lafiny ara-teknika rehetra ilaina amin’ny famolavolana ny dingana manaraka ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ity tsangambaton’ny indostria ity.
Ho antoky ny fahombiazan’izao tetikasa goavana izao dia nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny, indrindra fa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) amin’ny maha minisitera mpiahy ny SIRANALA azy. Nanome hery sy tantsoroka mivantana teny an-kianja tamin’izany Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry niaraka tamin’ny Talen’ny Fotodrafitrasa sy ny Haivao, teo ihany koa ireo manam-pahefana ao amin’ny Faritra Menabe, ahitana ny Lehiben’ny Faritra, Lieutenant-Colonel AUNEZIFORT Philippe, ny Préfet, ary ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Analaiva.
Izao ezaka iarahana izao dia dingana lehibe sady manan-tantara ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Menabe sy ny toekarena malagasy manontolo. Ny fahavitan’ny fanadihadiana ataon’ireo teknisiana amin’izao fotoana izao no hamaritra ny sori-dalana mivaingana rehetra amin’ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity, izay heverina fa hitondra famoronana asa maro sy fampiroboroboana ny indostria eo an-toerana.
