Fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara.

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗠𝗕𝗔𝗝𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗦𝗔𝗘.
𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙞𝙣𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖 16 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝙉𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙞𝙩𝙚́ 𝙙𝙚𝙨 𝘾𝙪𝙡𝙩𝙪𝙧𝙚𝙨 𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙧𝙖𝙣𝙤𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙢𝙗𝙖𝙟𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 𝙎𝘼𝙀 (𝙎𝙩𝙧𝙪𝙘𝙩𝙪𝙧𝙚𝙨 𝙙’𝘼𝙘𝙘𝙤𝙢𝙥𝙖𝙜𝙣𝙚𝙢𝙚𝙣𝙩 𝙚𝙣 𝙀𝙣𝙩𝙧𝙚𝙥𝙧𝙚𝙣𝙚𝙪𝙧𝙞𝙖𝙩) 𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙢𝙞𝙠𝙚𝙣𝙙𝙧𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙢𝙚 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana i Ramatoa Tale jeneralin’ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DGDSP) eto anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) , MANANARIVO Arlise Winnie. Nohamafisiny nandritra ny lahateniny fa mifanandrify tanteraka amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana izao dingana izao izay manome lanja ny fanohanana ny mpandraharaha sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ka ho zary ivon’ny fanaingana ny toekarena eto Madagasikara. Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) dia manome sehatra malalaka ho an’ireo mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany, manome tosika ny haivao, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fahafahana mifaninana malalaka eo amin’ny orinasa sy ny sehatry ny fandraharahana hoy hatrany izy.
Ny fisian’ity tranonkala vaovao ity dia hitondra tombony lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana: mampitombo ny lazan’ny tambajotra sy ny mpikambana ao aminy izany, manamora ny fidirana amin’ireo loharano sy fiofanana ho an’ny tanora, ary mampita mivantana ireo vaovao momba ny tolotra sy famatsiam-bola misy. Ankoatra izay, sehatra iray hanehoana ireo tantaram-pahombiazana ho fankaherezana ny hafa izy io, sady mampibaribary ireo zava-bita sy vokatry ny asa rehetra efa tontosa.
Nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia teo amin-dRamatoa Tale jeneraly, MANANARIVO Arlise Winnie, sy Andriamatoa Filohan’ny Madagascar – SAE, RANDRIAMAROMANANA Tandrify, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny MIDSP tamin’ny alalan-dRamatoa Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana eto amin’ny Minisitera, FALIARIVONY Kezia izay niresahany ny lohahevitra manodidina ny fahaiza-manao, ny traikefa ary ny fahafahana manohana ara-pitaovana ny mpandraharaha.
