Fizarana ny « Kolontsain-pandraharahana » ho an’ireo tanora ao amin’ny Collège Agricole Manganoro
𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢 15 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026, 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 « 𝘊𝘰𝘭𝘭𝘦̀𝘨𝘦 𝘈𝘨𝘳𝘪𝘤𝘰𝘭𝘦 𝘔𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘰𝘳𝘰 » 𝘒𝘢𝘰𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘐𝘭𝘢𝘧𝘺, 𝘋𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯’ 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘻𝘢𝘬𝘢, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘭𝘢𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘢𝘯𝘨𝘰𝘳𝘰, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 « 𝘊𝘶𝘭𝘵𝘶𝘳𝘦 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘭𝘦 » 𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢. 𝘕𝘺 𝘦𝘬𝘪𝘱𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘋𝘐𝘙𝘐𝘋𝘚𝘗 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘪𝘻𝘢𝘳𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘳𝘢𝘪𝘬𝘦𝘧𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢.

Ny tanjonan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina dia ny mba hahafahan’ireto tanora ireto miatrika am-pahatokisan-tena sy am-pahombiazana ny tontolon’ny fandraharahana miandry azy ireo aorian’ny fianarany.
Iza moa ireo mpisitraka?
Mpianatra taona faharoa miisa 22 (vehivavy 3 ary lehilahy 19), eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona.
Marihina fa mampiofana tanora amin’ny fambolena sy ny fiompiana ity ivon-toerana ity. Mandritra ny 2 taona ny fianarana ary mipetraka eo an-toerana mihitsy izy ireo. Rehefa mivoaka dia ho lasa teknisianina amin’ny fambolena sy ny fiompiana vonona hiatrika ny tontolon’ny asa avy hatrany. Ny fananana io fahalalana fototra momba ny fandraharahana io dia fitaovana lehibe hanampy azy ireo amin’izany firosoana amin’ny fiainana maha-matihanina izany.
Fiaraha-miasa sy fampandrosoana hatrany! ![]()
![]()
