Morondava : Mitohy ny fanisana ireo orinasa kaoperativa

📍 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢, 20 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘦𝘯𝘢𝘣𝘦 𝘯𝘺 𝘱𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘥𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊) , 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 19 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘪𝘧𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘴𝘰 21 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026.

📌Kaoperativa manodidina ny 30, misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana, jono ary fitaterana, no kendrena amin’izany.

✅Natao ihany koa ny fifanakalozana sy ny fampahafantarana ny Lalàna laharana 2023-016 mifehy ny kaoperativa, ho fanamafisana ny fandaminana sy ny fampandrosoana ny sehatra.

✅Ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), amin’ny alalan’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Menabe, no manatanteraka izany eny amin’ny biraon’ny CCI Morondava.

📌Ny PNRDC dia tetikasan’ny Governemanta, tanterahin’ny MIDSP ary vatsian’ny PNUD ara-bola, ho fampiroboroboana ny kaoperativa sy ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.

#PNRDC#PNUD#Kaoperativa#Menabe#Fampandrosoana

Vous aimerez aussi...