Vitrine GMI 2026 : Sehatra ho fanomezana lanja ny talenta sy ny indostria malagasy

Manohana ny Vitrine GMI 2026, hetsika manasongadina ny tontolon’ny mekanika sy ny indostria, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP).

Hotanterahina ny 24 sy 25 Oktobra 2026, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ity hetsika ity, ho fankalazana ny faha-30 taonan’ny sampam-piofanana momba ny « Génie Mécanique et Industriel (GMI)  » ao amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) Vontovorona, Oniversiten’Antananarivo.

Fotoana iray hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra, ny zava-baovao ara-teknolojia ary ny anjara toeran’ny mekanika sy ny indostria amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy.

📍 𝗞𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗕𝗮𝗿𝗲𝗮 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 (𝗣𝟭)

📅 𝟮𝟰–𝟮𝟱 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲

Tongava maro ary fantaro ny tontolon’ny mekanika sy ny indostria!

#MIDSP#VitrineGMI2026#IndustrieMalagasy#Innovation#ESPA

Vous aimerez aussi...