Tetikasa « EAGER »

𝗡𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗘𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗻𝗮 𝗘𝗮𝘀𝘁 𝗔𝗳𝗿𝗶𝗰𝗮 𝗚𝗶𝗿𝗹𝘀 𝗘𝗺𝗽𝗼𝘄𝗲𝗿𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗮𝗻𝗱 𝗥𝗲𝘀𝗶𝗹𝗶𝗲𝗻𝗰𝗲, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝘃𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮-𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗿𝗶𝗻𝘆, 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗵𝗼𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟭𝟭 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 : 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼, 𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆, 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆, 𝗠𝗲𝗹𝗮𝗸𝘆, 𝗠𝗲𝗻𝗮𝗯𝗲, 𝗦𝗼𝗳𝗶𝗮, 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆, 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮.

✅Amin’ny alalan’ny fampiasam-bola amin’ny fanabeazana, ny fanamafisana ny traikefa arakasa, ary ny famoronana asa, ny Tetikasa dia mikendry ny hanova maharitra ny fiainan’izy ireo, sy hitondra anjara biriky eto amin’ny firenena amin’ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy.

📌Nanomboka ny taona 2025 ka haharitra hatramin’ny 2029 ny Tetikasa. Ny mpandrindra dia ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Ny mpamatsy vola dia ny Banky iraisam-pirenena ary ny fanatanterahana dia iandreketan’ny « Unité de Facilitation de Projets (UFP) » sy ny « Fonds d’Intervention pour le Développement (FID). »

📌Ny MIDSP kosa no miantoka ny Fanombanana, ny Fandrindrana, ny Fanaraha-maso, ary ny Fitandroana ny kalitao ho an’ny sehatry ny Fandraharahana.

Misokatra ho an’ny tovovavy sy vehivavy rehetra eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona ny Tetikasa. Ny fisoratana anarana dia manomboka ny 26 Martsa ka hatramin’ny 22 Aprily 2026.

Vous aimerez aussi...