Parc de Transformation Agro-industrielle à Ankoronga : Dingana lehibe amin’ny fandrosoan’ny tetikasa

𝘈𝘮𝘱𝘦𝘧𝘺, 12 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘭𝘢𝘯 𝘥𝘪𝘳𝘦𝘤𝘵𝘦𝘶𝘳 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘢𝘴𝘢 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘢𝘳𝘤 𝘥𝘦 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘴𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘈𝘨𝘳𝘰-𝘪𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 (𝘗𝘈𝘐) 𝘢𝘰 𝘈𝘯𝘬𝘰𝘳𝘰𝘯𝘨𝘢, 𝘒𝘢𝘰𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘉𝘦𝘵𝘴𝘪𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢, 𝘋𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢 𝘐𝘐, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰-𝘈𝘯𝘥𝘳𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘥𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘳𝘰𝘫𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘋𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘡𝘰𝘯𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘴𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘈𝘨𝘳𝘰-𝘪𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 𝘥𝘢𝘯𝘴 𝘭𝘢 𝘙𝘦́𝘨𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘶 𝘚𝘶𝘥-𝘖𝘶𝘦𝘴𝘵 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 (𝘗𝘛𝘈𝘚𝘖) « .
Niara-nandinika sy namaritra ireo asa hotanterahina voalohany ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny sehatra tsy miankina ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Kaominina voakasika.
Anisan’ny asa voalohany hatao ny fametrahana fefy sy ny fanajariana ny toerana, ho fiarovana sy fanamafisana ny fananan-tany.
Dingana lehibe hanomanana ny fototra ho amin’ny fampiroboroboana ny famokarana, ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana, ny fampiasam-bola ary ny famoronana asa ho an’ny mponina any Atsimo Andrefana ity tetikasa ity.
