Forum National des Entrepreneurs (FNE) 2026 – Andiany faha-8

𝘚𝘵𝘢𝘥𝘦 𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 13 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-8 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘳𝘶𝘮 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴 (𝘍𝘕𝘌), 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘭𝘶𝘣 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴 – 𝘔𝘌𝘋 (𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘪𝘴𝘦 𝘋𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵), 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘩𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗). « 𝘈𝘨𝘪𝘳 𝘷𝘪𝘵𝘦 𝘦𝘵 𝘤𝘩𝘢𝘯𝘨𝘦𝘳 𝘥’𝘦́𝘤𝘩𝘦𝘭𝘭𝘦 : 𝘕𝘰 𝘭𝘪𝘮𝘪𝘵 » 𝘯𝘰 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯’𝘪𝘵𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘵𝘺.
Mandritra ny roa andro, hisy ny fifampizarana traikefa, ny fampahafantarana fomba fiasa vaovao ary ny « Speed Business Connect », izay ahafahan’ny mpandraharaha mifandray amin’ireo mpanjifa sy mpamatsy ary mpiara-miombon’antoka. Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika, tsy anavahana ny haben’ny orinasa.
Ny MIDSP, tarihin’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sy ny Club des Entrepreneurs – MED, tarihin-dRamatoa RAMANANJATO Miora, dia miara-mientana amin’ny fanohanana sy fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara, ho fampandrosoana ny toekarena sy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
#FNE2026#ForumNationalDesEntrepreneurs#ClubMED#MIDSP#NoLimit#Madagascar
