Fivoriana ara-potoana voalohany

𝙏𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖𝙯𝙖𝙯𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖-05 𝙈𝙚𝙮 2026 – « 𝘛𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘻𝘰 𝘵𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘰𝘮𝘣𝘺 𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘪𝘵𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 », 𝘩𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘈𝘚𝘖𝘓𝘖𝘕𝘐𝘈𝘒𝘖 𝘚𝘪𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘛𝘩𝘪𝘦𝘳𝘺, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘵𝘦𝘯𝘪𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺, 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘓𝘢𝘱𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢.

✅Natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo solombavambahoaka vao notendrena araka ny Lalàmpanorenana ny fotoana.

Mandritra ity fivoriana ity dia hotanterahina ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana (PLFR) 2026, ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolan-dalàna samihafa, ary ny fanolorana ataon’ny Governemanta ny tatitra mikasika ny fanatanterahana ny fandaharan’asany.

Hisy ihany koa ny fanazavana entin’ny Minisitra tsirairay manoloana ireo fanontaniana apetraky ny solombavambahoaka.

✅Maro ireo asa notanisain’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena miandry amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao. Anisan’izany ny fanarenana ireo orinasa lehibe stratejika izay tokony ho andry ara-toekarena, ka tafiditra ao anatin’izany ny SECREN.

📌Nanatrika ity lanonam-panokafana ity ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Vous aimerez aussi...