Madagasikara Etazonia

𝗠𝗕𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗛𝗜𝗭𝗔𝗡𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗚𝗢𝗔

📍𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮 (𝘾𝙖𝙧𝙡𝙩𝙤𝙣 𝙃ô𝙩𝙚𝙡), 𝙛𝙖𝙝𝙖 04 𝙈𝙖𝙮 2026 – 𝘍𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘚𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦𝘫𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘷𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘻𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘻𝘢𝘷𝘢 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘱𝘢𝘪𝘬𝘢𝘥𝘺 𝘩𝘰 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘮𝘣𝘢 𝘩𝘪𝘵𝘰𝘩𝘪𝘻𝘢𝘯𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘎𝘖𝘈 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰𝘻𝘢𝘷𝘢-𝘣𝘢𝘷𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘮𝘣𝘢 𝘴𝘺 𝘢𝘬𝘢𝘯𝘫𝘰.

✅Nandray anjara taminity fivoriana ity ireo tomponandraikitra samihafa avy amin’ny sehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina nahitana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny Minisitry ny raharaham-bahiny, ny solontenan’ny kabinetra avy ao amin’ny Primatiora, ny Ambasadaoron’ny Madagasikara any Washington ary ireo vondron’ny mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina.

✅Ny MIDSP moa dia nanambara fa:

« Ny fampiroboroboana ny indostria, dia mitaky zavatra telo: fanofanana, fandrafetana ary fanodinana, ary koa fanamafisana ny fampandrosoana maharitra. Tsotra ny tanjona, dia ny hametrahana an’i Madagasikara ho mpiara-miombonantoka azo itokisana sy maharitra. Ho atao ezaka ny fanamafisana ny toe-karena malagasy ho afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ny fiarovana ireo fampiasam-bola hampiroboroboana ny toe-karena. Ireo lalan-tsaina ireo no antom-pisian’izao fivoriana izao. »

📌Aorian’izao fivoriana izao dia hanao ny tatitra any amin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ireo Minisitra mba hivoaran’ny toe-draharaha aingana.

Vous aimerez aussi...