AGOA : Dingana lehibe indray no vita, mitohy ny ezaka ho an’i Madagasikara

📍 𝘞𝘢𝘴𝘩𝘪𝘯𝘨𝘵𝘰𝘯 𝘋.𝘊., 02 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘯𝘰 𝘷𝘪𝘵𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘤𝘢𝘯 𝘎𝘳𝘰𝘸𝘵𝘩 𝘢𝘯𝘥 𝘖𝘱𝘱𝘰𝘳𝘵𝘶𝘯𝘪𝘵𝘺 𝘈𝘤𝘵 (𝘈𝘎𝘖𝘈), 𝘵𝘢𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘢𝘯𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺  » 𝘏𝘰𝘶𝘴𝘦 𝘙𝘦𝘱𝘳𝘦𝘴𝘦𝘯𝘵𝘢𝘵𝘪𝘷𝘦  » 𝘢𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘏.𝘙. 6500, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘎𝘖𝘈 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 31 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2028. 𝘝𝘪𝘵𝘢 𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘢𝘯𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘯𝘨𝘳𝘦𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢, 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢 𝘢𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘬𝘦𝘩𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯𝘺.

📌Eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, sy Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, dia nanohy ny ezaka sy ny adi-sisika ho fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), tarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sy ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) niaraka tamin’ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia.

✅Mitohy hatrany ny ezaka mba hanomezana fahafahana mijery lavitra ireo orinasa sy mpampiasa vola, hanamafisana ny famokarana sy ny fanondranana Malagasy mankany amin’ny tsena amerikanina, ary hisarihana fampiasam-bola vaovao. Tanjona amin’izany ny hampiroborobo ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, hampitombo ny sandan’ny vokatra eto an-toerana ary hamorona asa maharitra ho an’ny Malagasy.

#AGOA

#MIDSP

Vous aimerez aussi...