Madagasikara manamafy ny fandraisany anjara amin’ny rohim-pamokarana iraisam-pirenena

𝘕𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺, 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘺 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯-𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢, 𝘮𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘧𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘯𝘬𝘢𝘱𝘰𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 (𝘗𝘎𝘌-𝘙).
Ao anatin’izany, tanterahina eto Madagasikara mandritra ny 3 andro, ny 2–4 Septambra 2026, ao amin’ny Louvre Hôtel, ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny rohim-pamokarana (Global Value Chains), karakarain’ny ONUDI, miaraka amin’ny SADC sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) no misolo tena ny Fanjakana Malagasy, ka Ramatoa RAJAONARIVELO Harena, Talen’ny Fanohanana ny Fampiroboroboana ny Indostria Maharitra, no manatrika izany.
Manana sehatra maro ahafahana mamorona sanda ambony i Madagasikara, toy ny agro-indostria, menaka manitra sy vokatra voajanahary, lamba sy fitafiana, jono sy fiompiana anaty rano, harena an-kibon’ny tany, fizahantany ary nomerika. Ny fanamby lehibe dia ny tsy hijanonana amin’ny famokarana sy fanondranana akora fototra fotsiny, fa hampitombo ny fanodinana eto an-toerana, ny fanamarinana ny kalitao, ny fahitanavao ary ny famoronana marika vita Malagasy, mba hahafahan’ireo orinasa nasionaly miakatra amin’ireo dingana mamorona sanda ambony kokoa ao anatin’ny rohim-pamokarana. Izany no ahafahana mitazona eto Madagasikara ny ampahany betsaka amin’ny sanda fanampiny, mamorona asa sy fidiram-bola, ary manamafy ny fifaninanana eo amin’ny tsena nasionaly, isam-paritra ary iraisam-pirenena.
#MADAGASIKARA#PRRM#MIDSP#ONUDO#SADC#UnionEuropeenne#AsianDevelopmentBank#chainedevaleur
