Kolontsaina mandraharaha ho an’ny tanora Malagasy

📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 16 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 300 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.

Nandalo nitsidika sy nankahery ary nisaotra ireo tanora Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, noho ny fahavononan’izy ireo hianatra sy hanomana ny fiainany amin’ny alalan’ny fandraharahana.

« Ny tanora no ankehitrinin’ny Firenena. Izao no fotoana handraisana an-tanana ny fiainana. Izay azo atao androany dia atao androany fa tsy handrasana rahampitso. » hoy Andriamatoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Hafatra fanentanana ho an’ny tanora izany mba haneho fahasahiana, handray andraikitra ary hanomboka dieny izao ny asa ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

#MIDSP #Tanora #Fandraharahana #KolontsainaMandraharaha #Madagasikara

Vous aimerez aussi...