Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara

𝘐𝘣𝘪𝘴 𝘏𝘰̂𝘵𝘦𝘭, 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦𝘫𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘛𝘢𝘭𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘢𝘣𝘪𝘯𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢, 𝘯𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 (𝘔𝘊𝘙).

📌Tafiditra ao anatin’ny dingana fanamafisana ny Fanavaozana eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny atrikasa, izay nifantoka tamin’ny fahatakarana iombonana ny vina sy ny fizotry ny Fanavaozana, ary ny fanamafisana ny fandrindrana ny fampiharana izany eny anivon’ny Minisitera.

✅Anisan’ny nisongadina ny fanamafisana ny anjara asan’ny  » Plateforme des Auditeurs Ministériels (PAM)  » sy ny  » Cellule de Refondation Ministérielle (CRM) « , ho rafitra entina mandrindra ny fanangonana sy fampitana ireo fanapahan-kevitra, ary ny fanatanterahana ny Fanavaozana isan-tsehatra sy iraisan’ny sehatra. Nohamafisina ihany koa ny etika sy ny deontolojia amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

✅Nisolo tena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) tamin’izany Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, sy Ramatoa Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal.

« Fanavaozana iombonana, ho amin’ny Fanjakana mirindra sy mahomby kokoa. »

Vous aimerez aussi...