Fivoriana mikasika ny fametrahana ny ZES eto Madagasikara

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢, 05 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺, 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 (𝘔𝘌𝘍), 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢, 𝘮𝘪𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 (𝘡𝘌𝘚) 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢. 𝘕𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

✅Nifantoka tamin’ny fomba ahafahana mampihatra farany izay haingana ny Lalàna 2017-023 mikasika ny ZES, ary ny fandinihana ireo fanitsiana mety ilaina mba hampifanarahana izany amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny fivoaran’ny fomba fanao iraisam-pirenena ny dinika.

📌Tanjona ny hametrahana sehatra misy lalàna mazava, mba hahafahan’ny ZES misarika fampiasam-bola betsaka eto Madagasikara na avy any ivelany izany na avy eto an-toerana, hampiroborobo ny indostria sy ny famokarana, ary hamorona asa.

Vous aimerez aussi...