Moris Mada Business Connect 2026 : Madagasikara sy Maurice, manamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰 | 13 – 14 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026

𝘙𝘢𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘴𝘰 13 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰 𝘯𝘺 𝘔𝘰𝘳𝘪𝘴 𝘔𝘢𝘥𝘢 𝘉𝘶𝘴𝘪𝘯𝘦𝘴𝘴 𝘊𝘰𝘯𝘯𝘦𝘤𝘵 2026, 𝘧𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘮𝘣𝘦 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘔𝘢𝘶𝘳𝘪𝘤𝘦.

🎯 Tanjona ny hanamafisana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotra, hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-indostria, ny fanodinana ny akora eto an-toerana, ary hamorona fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny orinasa malagasy sy maorisianina.

Anisan’ireo lohahevitra lehibe hodinihina mandritra ny fihaonana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ny harena voajanahary, ny tontolon’ny fandraharahana, ny famatsiam-bola, ny teknolojia, ny fambolena, ny fotodrafitrasa ary ny varotra isam-paritra.

🤝 Hisy ihany koa ireo fihaonana B2B hampifandraisana mivantana ireo orinasa sy mpampiasa vola, ho fananganana fiaraha-miasa sy tetikasa vaovao.

➡️ Fotoana iray hanokafana varavarana vaovao ho an’ny fampiasam-bola, ny indostria ary ny fandraharahana eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...