Salon de l’Industrie et du Commerce 2026

𝘒𝘪𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢
20, 21 𝘢𝘳𝘺 22 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026
Hotanterahina mandritra ny telo andro ny Salon de l’Industrie et du Commerce 2026, sehatra iray hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny indostria, ny varotra, ny fandraharahana ary ireo sehatra maro mifandraika amin’izany.
Handray anjara mavitrika amin’ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), amin’ny maha Minisitera mpiahy azy.
Tanjona ny hampiroborobo ny indostria sy ny fandraharahana, hanamora ny fihaonan’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka, hampirisika ny famatsiam-bola sy ny fanohanana ireo tetikasa, ary indrindra hamorona asa sy hanitatra ny lalam-barotra ho an’ireo vokatra vita eto Madagasikara.
