Madagasikara – Japana | Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa PAPRIZ 4

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 31 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰𝘷𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰 (𝘔𝘐𝘈𝘚𝘈) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘯𝘪𝘢 𝘯𝘺 « 𝘙𝘦𝘤𝘰𝘳𝘥 𝘰𝘧 𝘋𝘪𝘴𝘤𝘶𝘴𝘴𝘪𝘰𝘯 » 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘈𝘗𝘙𝘐𝘡 4, 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘑𝘢𝘱𝘰𝘯𝘦𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 (𝘑𝘐𝘊𝘈). 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘈𝘗𝘙𝘐𝘡 4 𝘪𝘵𝘺 𝘥𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘪𝘵𝘺.
Laharam-pahamehan’ny Fitondrana Fanavaozana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary voarakitra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), ity tetikasa ity. Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina sy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), RAMINDO Gaëtan no nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny anaran’ny Governemanta Malagasy, niaraka tamin’ny solotena maharitry ny JICA eto Madagasikara, ODAWARA Kosuke.
Hifantoka amin’ny fanavaozana sy fampivoarana ny rojom-pihariana vary, indrindra any Alaotra-Mangoro sy Boeny, ny PAPRIZ 4. Anisan’izany ny fanatsarana ny vokatra sy ny kalitao, ny fampiasana teknika sy milina maoderina, ary ny fanamafisana ny fahaizan’ireo kaoperativa sy mpisehatra.
Hampiroborobo ihany koa ny famoronana sanda miampy eto an-toerana sy ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra rehetra, miaraka amin’ny fanofanana ireo teknisianina, mpamokatra ary mpandraharaha, ho fampandrosoana maharitra ny sehatry ny vary.
