Lanonana famaranana amin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-dohan’ny tafika malagasy

FikaonandohanTafika

📍𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 26 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘳𝘪-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘷𝘰𝘭𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯-𝘥𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺.

✅Hiroso amin’ny fampiharana izay voarakitra ao anatin’ny tari-kevitra ny Tafika Malagasy satria laharam-pahamehana ny fandriam-pahalemana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Efa nodinihana nandritra ny fikaonan-dohan’ny Tafika Malagasy ny vahaolana maharitra hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Mba ho Foloalindahy mahomby, matihanina ary manolotena tanteraka ho an’ny fiandrianam-pirenena.

📌Nanatrika ny lanonana ihany koa moa ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana efatra mirahalahy, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ary ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta ka isan’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Vous aimerez aussi...