Vitrine GMI : Manan-talenta ny tanora malagasy

𝘒𝘪𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 24 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 « 𝘝𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯𝘦 𝘎𝘔𝘐 (𝘎𝘦́𝘯𝘪𝘦 𝘔𝘦́𝘤𝘢𝘯𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭) », 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-30 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘦𝘯𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘎𝘦́𝘯𝘪𝘦 𝘔𝘦́𝘤𝘢𝘯𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘌́𝘤𝘰𝘭𝘦 𝘚𝘶𝘱𝘦́𝘳𝘪𝘦𝘶𝘳𝘦 𝘗𝘰𝘭𝘺𝘵𝘦𝘤𝘩𝘯𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘥’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 𝘖𝘯𝘪𝘷𝘦𝘳𝘴𝘪𝘵𝘦𝘯’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰.
Sehatra iray hihaonan’ny mpianatra, ny mpikaroka ary ireo orinasa matihanina ny Vitrine GMI, ahafahan’ireo mpianatra mampiseho ny talentany sy ny tetikasa vitany, ary ihany koa ahafantaran’ny rehetra ny asa atolotr’ity sehatra ity.
Na eo aza ny fahasahiranana misy eto amin’ny firenena, manana tanora mahay, mamorona ary mahavita zavatra i Madagasikara! Izany no antony hanohanan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) ity hetsika ity, ho fampiroboroboana ny fahaiza-mamorona, ny fanavaozana ara-teknolojia ary ny fampifandraisana ny fahaizan’ny tanora amin’ny filàn’ny indostria, ho vahaolana maharitra amin’ny fanarenana ny firenena.
#VitrineGMI
#MIDSP
#OniversitenAntananarivo
#ESPA
#GMI
#TanoraMahay
#IndostriaMalagasy
